Vinavinaina hiakatra 4,5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara, amin’ity taona ity, araka ny tatitra « Rapport Pays 2024 » navoakan’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tokony hiakatra 5,3% izany ho an’ny taona 2025 rehefa nahitam-piakarana 4,4% tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe «Impulser […]
Mois : août 2024
VAOVAO TAMBATRA
Tetikasa roa lehibe amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no anisan’ny vinan’ny fanjakana amin’ny taona 2025. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola vahiny mivantana (IDE), izay fanoitra lehibe hampiakatra fiharian-karena, hiteraka asa, sady hampandroso mivantana ny eny ifotony. Vinavinaina amin’izany ny tetikasa Base Toliara. Vita avokoa ny 60% ny asa ho an’ny […]
Tetikasa Tefiala: hanajary atiala 49 000 ha
Vina apetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hanatsara ny endri-tany sy ny hanarina ifotony ny atiala mba ho lovain-jafy. Voafaritra nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana mpanapa-kevitry ny « Comité de pilotage » eo anivon’ny Tetikasa Tefiala ny hanajariana velarantany 49 000 […]
Fem-9: vinavinaina ho 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho azo
Atao eto Antananarivo, ny 27, 28 ary 29 aogositra izao, ny fivoriana Dinika nasionaly mahakasika ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem), andiany faha-8. Fotoana ijerena ny zava-bita sy ny hanatsarana ny hoavy. Misitraka ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (Fem) i Madagasikara, nanomboka ny taona 1994. Antony, […]
INDRAY MIJERY
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II, tamin’ity herinandro ity. Laharam-pahamehana ny hamahana ny olan’ireo mpianatra mipetraka eny Ankatso II ireo mahakasika ny jiro sy ny rano ary ny kalitaon’ny trano fonenana. Efa nidina ifotony teny an-toerana […]




