Mois : août 2024

SOMBIM-BAOVAO

Ny 5 septambra ho avy izao, hanafika an’i Tunisie ny ekipam-pirenena, Barean’i Madagasikara, hifanintsana hiady ny tapakila hiatrehina ny « Can 2025 ». Nilaza ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, fa ny 2 septambra ho avy izao no tokony ho efa any an-toerana ireo Malagasy mpilalao. Manoloana ny resaka […]

Tenisy – “African circuit U14” : nanao pao-droa Andriamaniraka Soa Ainatia

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Club du Car, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “African circuit”, taranja tenisy ho an’ny sokajy U14, zazalahy sy zazavavy. Nisongadina ny Malagasy mpilalao, Andriama­niraka Soa Ainatia, izay nanao pao-droa. Voahosotra ho tompondaka ny tovovavy teo amin’ny olon-tokana, rehefa nandresy an’i Lara […]

Lalao Paralympika : hanomboka anio ny fifaninanana

Tapa-bolana taorian’ny fahavitan’ny lalao Olympika ho an’ny atleta salama ara-batana, hiditra an-tsehatra indray, manomboka anio, ireo manana fahasembanana. Hampian­trano izany hatrany i Frantsa. Haharitra hatramin’ny 8 septambra ny fihaonana, izany hoe, hifaninana mandritra ny 11 andro ireo atleta miisa 4 400 manerana ny vazantany efatra. Miisa 23 ireo taranja hiadiana […]

Ping Pong – Afrika 2024: mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara

Tsy mbola misy resaka na fanapahan-kevitra noraisina ny fiatrehan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana afrikanina amin’ny volana oktobra ho avy io, any Ethiopie. Ny 29 aogositra izao no hanomboka ny fifaninanana nasionaly. Hotanterahina any Addis Abeba, ny 18 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy […]

TARATRY ny KANTO

“Festival Alefa Parkour”, andiany fahatelo. Tan­terahina anio hatramin’ny 8 septambra izao, etsy amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano. Hetsika ara-kolontsaina mifangaro ara-panatanjahantena karakarain’ny fikambanana Traceur Gasy. Natao hanasongadinana ny fahatokisan-tena sy ny fahaiza-mamorona ary ny fanajana ny hafa. Ahitana fandefasana horonantsary mahakasika ny lohahevitra “parkour”, fampirantiana sy fanofanana momba izany ihany koa. […]