Sangy mihoatra ny loha! Nafatotra tamin’ny hazo, notifirina an-kitsirano ireo olona dimy mianaka natao takalonaina tao Anjozorobe. Tsy nanana 200 tapitrisa Ar ny fianakavian’izy ireo. «Resy izahay aty Anjozorobe, mifona e! Resinareo izahay, tsy misy na iza na iza hitarainana intsony», hoy ny antsoantson’ireo mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe manoloana ny […]
Mois : août 2024
FANTINA sy FINTINA
Nisafidy ny tsy hanao politika, taorian’ny fahanginany Ny Rado Rafalimanana. Nambarany fa efa kandidà filoham-pirenena indroa ny tenany ary nihevitra ny hahavita. “Tena tsy haiko ilay fomba fanaovana politika eto”, hoy izy. Nanafarany ireo mpisehatra izany ka nilazany fa mila fantatra aloha izany Madagasikara izany raha te hanao politika. Mitaky […]
Filohan’ny Holafitry ny vadintany : “Hamafisina ny fiarovana anay eo amin’ny asa”
Voafidy hitantana ny Holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty (CNHJPM), araka ny fifidianana natao omaly, tetsy Ambodivona, ny Me Rarivoarivony Andriantafaina. Nambarany fa misedra olana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany ka natsidiny ny hanohizana ny hiarovana azy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny lalàna sy ny voasoratra amin’ny satan’izy […]
Ireo dahalo ambony latabatra
Nahoraka tampoka teo indray ny resaka fakana olona an-keriny any Anjozorobe hatramin’ny afakomaly alina. Maty novonoin’ny olon-dratsy ireo takalonaina, dimy be izao. Aiza koa efa ho herintaona ny hetsika manokana, saingy mainka aza mirongatra ny resaka kidnapping. Mahazo vahana ny asan-jiolahy ao Ankazobe, Anjozorobe, Tsaratanàna ary Maevatanàna. Mipetraka ny […]
Fananan-tany any Ambovombe : namaha olana ny minisitra Andriantsitohaina
Efa eny an-kianja avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Anisan’izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repoblika farany teo ny amin’ ny hidinan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta eny an-kianja, manomboka izao. Tsy niandry ela fa nidina ifotony tany […]




