Ny soa fianatra: mirakitra tantara ny kihon-dalana

Voasokajy ho anisan’ireo firenena “tranainy” maneran-tany i Italia. Nandia tranga sy zava-nisy maro nolalovany tao anatin’ny fotoana naharitra. Fantatra fa ity firenena ity no manana tsiahy sy rakitra maro indrindra ho an’ny mponina ao an-toerana sy ho an’ny vahiny, raha momba ny tantara. Isaky ny kihon-dalana, na toerana na kianja malalaka, misy ny fampahafantarana ny tantara niseho teo amin’ilay faritra. Hita amin’ny alalan’ny sary vongana na saripika na tara­tasy vakiana, sns, izy ireny. Tsy olon-kafa avy any ivelany no manatontosa ny fametrahana na fanoratana ireny tantara ireny fa ny mponina eo amin’ilay faritra na toerana mba hisorohana ny fahadi­soana. Saro-piaro amin’ny tantarany ny Italianina, noho ny fisian’ireny tsiahy isaky ny kihon-dalana ireny. Fantany ny fototra momba azy, sns.
Ny soa fianatra! Mbola ma­nana kihon-dalana sy toerana malalaka maro i Madagasi­kara. Sao mba tokony hirakitra tantara izy ireny? Mila toe-tsaina mivelatra anefa ny fana­tanterahina sy fiainana izany isan’andro. Ny tantara, mantsy, fototra ahafahana manainga zavatra maro fa tsy sanatria hitondra any amin’ny fandravana ny soatoavina.
Marobe ny tsilo saina ho azo avy amin’ny fisian’ny tsiahy sy raki-tantara isaky ny kihon-dalana sy toerana malalaka na kianja, tahaka ny ataon-dry zareo Italianina. Voasarika ny mpizahantany… Miditra ny vola vahiny… Matan­jaka ny mponina sy ny fire­nena manontolo!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: