Baolina kitra – « Can 2025 » : ho toy ny famaranana kely ny an’ny Barea sy ny ekipan’i Comores

Hifantoka amin’ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Coelacanthes Comores indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana ny fihaon’ny roa tonta. Hamaritra ny toerana hisy ny Barea koa izany.

Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja Hamadi Aguerbi Stadium, ao Rades Tunisie, ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, taranja baolina kitra. Fihaonana mandroso, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Coelacanthes Comores. Hiendrika famaranana kely ny lalaon’ny roa tonta. “Tsy manan-tsafidy ary tsy mahazo resy ny Barea, anio, fa tsy maintsy mitady isa 3 raha te ho tsara toerana amin’ity fiadiana mankany amin’ny Can 2025 ity”, hoy ny coach Rôrô, mpanazatra ny Barea, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Efa nahitsy ireo lesoka madinidinika ary narenina ny toe-tsain’ireo mpilalao izay hita nilatsaka taorian’ny faharesena, ny alakamisy lasa teo. “Efa vita iny lalao nikatrohana tamin’i Tunisie tsy miresaka an’iny intsony raha tsy amin’ny lalao miverina”, hoy hatrany ny coach Rôrô. Nifantoka tamin’ny famonoam-baolina ny fanazarantena tao anatin’ny roa andro farany mialoha ny fihaonana amin’i Comores, anio. Vonona hanarina ny fahavoazana ireo mpilalao rehetra ary salama tsara avokoa afa-tsy i Berajo izay efa tsaboina. Marihina fa ny alakamisy lasa teo, efa tonga eto Tunisie, ry zareo Kaomorianina. Tsiahivina fa hanala vela amin’ny Barea de Madagascar ny Coelacanthes, saingy tsy azo atao ny manambany azy ireo, araka ny nambarany. “Famaranana kely, araka izany, ny lalao anio”, hoy izy.

Mpitsara avy any Gabon
Hitantana ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Coelacanthes Comores, anio, ireo teratany Gabonais mpitsara telo mirahalahy. Mpitsara afovoany, i Tanguy Patrice Mebiame ary i Boris Marlaise Ditsoga sy i Felix Abaa Eyaga ny amin’ny sisiny roa. Mpitsara fahefatra, i Josy Roselin Mezui Abaa. Ny “commissaire de match” ilay teratany Cap Verdain, i Joel Amarante Ramos Barros, ary ny “referee assessor”, ilay Ougandais, i Brian Nsubuga Miiro. Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 5 ora hariva eto Tunisie (7 ora alina) any Madagasikara ny lalao.

Tompondaka

Partager sur: