Nametraka tantara vaovao eo amin’ny «Mondial”, ny Les Requins Bleus, Cap-Vert. Notazomin’izy ireo ady sahala ny La Furia Roja avy any Espagne, ho an’ny vondrona “H”. Fahafaham-baraka ho an’i Espagne ny vokatra, hoy ny gazety any an-toerana.
Resa-be maneran-tany ny ady sahala, 0 no ho 0, teo amin’ny La Furia Roja, Espagne sy ny Les Requins Bleus, Cap-Vert, ny alatsinainy lasa teo. Fihaonana ho an’ny sokajy “H” notanterahina tao amin’ny Kianja Atlanta. Nodisoin-dry zareo Cap-Verdien ny filazana azy ireo ho toy ny soavaly be tongotra “gros outsider”, nanoloana ny ekipa tompondakan’i Eoropa, izay heverina ho “favori”. Na sambany aza vao niatrika “Mondial” i Cap-Vert, tsy nihemotra nanoloana ireo kalaza, toa an-dry Pedri sy Torres, niampy an’i Ruiz. Nanohitra hatramin’ny farany ny trozona manga na nanjakan’ny espaniola aza ny 90 mn nilalaovana. Tsy nahavaky ny rindrimben’i Cap-Vert ny La Furia Roja. Tsy nahitana irika ihany koa i Vozinha, mpiandry tsatoby, na teo aza ny daka maro nataon’ireo lohalaharana espaniola. Noho ny zava-bitany, voasafidy ho mpilalao mendrika ny tovolahy.
Tsy zakan’ny vahoaka espaniola iny ady sahala iny. Nanoloana izany, samy namely mafy ny La Furia Roja avokoa ireo gazety an-tsoratra mivoaka isan’andro any an-toerana ary tsy nitsitsitsitsy fitenenana mihitsy, nanakora sy nanaraby azy ireo. Taorian’iny andro voalohany ho an’ny sokajy “H” iny, mitovy ny isa azon’ireo ekipa efatra, satria nisaraka ady sahala, 1 noho 1 ihany koa i Arabie Saoudite sy i Uruguay.
Tompondaka




