Hosana Ambohijatovo fitiavana : fifaliana no tsapa tamin’ny fampisehoana

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fana­tanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana, niarahana tamin’ ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana. Nampi­tondraina ny lohateny “Andeha hidera azy”. Feno tanteraka ny tao Mahamasina, satria tonga maro tsy nisalasala ireo mpankafy nanotrona azy ireo. Nampirisika ny maro, tamin’izany, ny fiombonana hidera an’Andriamanitra. “Misy aimpanahy sy fifaliana ao anatin’ny hira fiderana ary fifaliana tena izy no hita sy tsapa nandritra ny fampisehoana”, hoy ny pastora iray teny ambony sehatra. Ankoatra izay, nampiavaka ny fampisehoana ny fisian’ireo jiro maroloko nandravahana ny fiarahana. Ani­san’ny nanaitra ny aimpanahin’ny maro ihany koa ny lokon’ankanjo, fotsy, izay nanaovan’ny antoko mpihira. “Maneho ny fahatsaran’Andriamanitra izany”, hoy ny mpankafy. Norene­sina tao avokoa ireo hira nankafizana sy nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Anisan’izany ny “Derainay”, “Mamelà ny heloko”, “Havaoziko”, “Ho tokantrano sambatra”, “Izao no fotoana” sy ny maro hafa. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny tarika ny hetsika.

Mino

Partager sur: