Miandry ny farany

 

Amin’izao, tsy mbola firy no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Miandry ny farany? Toe-tsaina amam-pomban’ny Malagasy rehefa manao zavatra, hono. Dia miandriandry sy mandrimandry eo na amin’ny zava-dehibe miankina amin’aina aza? Politika rahateo ny fiatrehana fifidianana, ka mandeha avokoa ny paipaika sy ny kajikajy rehetra izao: raha mirotsaka, ohatra, Ranona, tsy hirotsaka ny tena; na ny firotsahan’ny tena no mety hampirotsaka an-dRanona. Tsy fahatokisan-tena no antony ka mitsapatsapa? Fa mafy sy sarotra ho an’ny sasany koa, ohatra, ny fahitana ny anto-bola firotsahan-kofidina, ny fahazoana ny fanamarinana ny fandoavan-ketra… Tsy efa tokony ho nivonona ela ny amin’izany ve?
Ny tena na ny mpikambana, ohatra, no mamelona ny antoko na fikambanana isiana, fa tsy izany no andrasana. Tsy ampy fijeren-davitra na fiomanan-tena ela? Hany ka miandry ny farany hatrany… Tsy afa-bela amin’ny farany lohany? Miatrika fahasahiranana sy manombo-javatra hatrany isaky ny mihetsika… Miandry ny farany? Nefa rehefa mandray andraikitra, saika am-boalohany ihany no tena… Aoka re e! Am-boalohany ihany ny hafanam-po, ny fanajana lalàna, ny fijerena ifotony… Rehefa zajatra eo, mandeha ho azy na miseholany ny gaboraraka sy ny samy manao izay saim-pantany, sanatria? Tsy firy no maharitra hatramin’ny farany amin’ny hafanam-po, mihamitombo amin’ny heriny, mihatsara amin’ny fomba fiasa, manitatra ny tanjona ho amin’ny lavidavitra kokoa…
Anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ary mahaela ny fampandrosoana izay? Ny miandry amin’ny firotsahana amin’izay atao, am-boalohany ihany no tsara izay atao… Eo ny vahoaka hitsara, hampitaha, hisafidy… Iza no izy?

R. Nd.

Partager sur: