Seho nanjakan’ny fitiavana: nitety vanim-potoana i Henri Ratsimbazafy

Tamin’ny ankapobeny, nahitana fizarana roa ny seho notanterahin’i Henri Ratsimbazafy sy ireo mpanakanto niara-nihira taminy. Fampisehoana adiny telo nanjakan’ny fitiavana sy ny momba izany manontolo.

Iray amin’ireo seho an-tsehatra nahavory mpijery maro teto an-dRenivohitra, omaly, ny tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nanolotra seho nanjakan’ny fitiavana sy nitetezana vanim-potoana naha­ritra i Henri Ratsimbazafy sy ireo mpanakanto niaraka ta­miny. Notsiahiviny fa niainga tamin’ny famoronana hira amin’ ny fiteny frantsay izy. Noka­loina ny sasany tamin’ireo, tahaka ny « Lamba blanc », « Chante ma valiha », sns. Nomeny ampaham-potoana lehibe koa ny hira amin’ny fiteny malagasy. Nokaloina ny « Lambanao mikopakopaka », « Taiza »…
Rehefa avy nitety vanim-potoana, nisongadina tao anatin’ny fizarana manaraka in­dray ireo hira milaza momba ny tontolon’ny fitiavana. Fiza­rana faharoa izay nanamafy fa mpanakanto niaina sy nampanjaka ary nizara fitiavana tamin’ny alalan’ny talentany i Henri Ratsimbazafy. Tao any fitiavan’olon-droa, lahy sy vavy. Ny fitiavana an’Andria­manitra. Ny fitiavan’ankizy. Ny fitiavana ny vanim-potoanan’ ny hatanorana, sns.

Nifampitaiza ny telo tonta

Hita teny amin’ny CCEsca Antanimena fa na anisan’ireo mpanakanto zoky (91 taona) aza i Henri Ratsimbazafy, mbola tena mahatazona ny nahafantarana azy hatramin’ izay. Anisan’ireny ny fanajana ny mpijery. Famadihana ny anatra ho zavakanto mora raisin’ny mpijery. Ilay fomba fihira tsotra kanefa manana fiantraikany lehibe (mahadona ny fo sy ny saina ary ny fanahy iray manontolo), any amin’izay maheno ny feony.

Tsikaritra sy voaporofo indray fa mifampitaiza i Henri Ratsimbazafy sy ny zavakanto ary ny mpijery. Tiany ny mi­zara io kanto ao aminy io. Na somary nanantombo kely aza ny isan’ny mpijery efa nahazo taona, tsy vitsy ny tanora tonga teny an-toerana. Saika hain’izy ireny avokoa ny tonon­kiran’i Henri Ratsimba­zafy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: