Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifaninanana “Africa 3×3 Cup”, taranja basikety, hotanterahina eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ny ekipa malagasy, lahy sy vavy. Fifaninanana hatao any amin’ny volana novambra , araka ny fandaharam-potoanan’ny Fiba Afrika.
Ho fantatra tsy ho ela kosa izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Nitohy tany amin’ny faritra ny fitsidihana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena nataon’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny notsidihina tamin’izany ny tany Mahajanga, izay nanoloran’ny MJS fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny klioba sy fikambanana mpikarakara taniketsa.
Nanomboka omaly ny fifaninanana “Open 2ème division Analamanga”, taranja Volley- ball. Eny amin’ny kianjan’Itaosy no hanaovana ny lalao. Anisan’ny efa nifanandrina avy hatrany, omaly, ny ekipan’ny VBC sy ny ASI ary ny CSA sy ny VBCD, sokajy lehilahy. Ny SQUAD 1 sy SQUAD 2 ary ny CVB sy ny VBCD kosa, teo amin’ny sokajy vehivavy.




