Fanabeazana: misy ny angano vaovao…

Firenena anisan’ny manana angano maro i Mada­gasikara. Ao ireo tsy mbola henon’ny taranaka ankehitriny akory. Na izany aza, efa misy ihany koa ireo namorona vaovao, saingy, misy olana ny fampahafantarana azy ireny. Mihazakazaka be ny teknolojia vaovao. Variana amin’ny sarimiaina ny ankizy. Vitsy ny boky mirakitra angano vaovao no tafavoaka noho ny halafosan’ny fanontana. Vitsy rahateo ny ankizy no tia mamaky boky. Ampahany amin’ny olana mianjady amin’ny angano noforonina taty aoriana ireo, raha ny fanazavan’i Arikaomsa Randria, mpanoratra sy mpitantara angano…
Na izany aza, nomarihiny fa “tsy mitovy ny seha-pamoronana taloha sy ny ankehitriny”. Ny teo aloha, tena niaina tao anatin’ny natiora fa ny ankehitriny, tsy mahafantatra izany natiora izany loatra. Raha milaza momba ny vorona vano, ohatra, ny angano vao noforonina taty aoriana, mety ho sarotra amin’ny zaza miaina ankehitriny ny mahafantatra io vorona io, satria, efa vitsy ny vano. Noho izany, mety ho vahaolana ihany raha arahina sary ho hitan’ny maso ny fitantarana angano ankehitriny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: