Fandrosoana poakaty: Tsy henoin-teny ny manam-pahaizana…

Anaran-tsy very sisa. Tadiavina sy karohina mafy vao hita ilay maha Malagasy. Nihazakazaka mafy io fahapotehana io tao anatin’ny taona vitsivitsy izay. Tahaka ny olona tsy tompon’ny tenany intsony ny Malagasy fa miandry baiko. Manatanteraka fotsiny avy eo !

Ambilombazana no ahafantarana fa ny samy Malagasy no miresaka. Sombin-kazavana kely sy bitika sisa no ahitana fa an’ny Malagasy i Madagasikara sy ny momba azy rehetra. Sahirana mafy ny maso sy ny sofina vao mahita sy maheno fa kolontsaina malagasy izany voizin’ny mpanakanto izany…
Mitobaka ny fanampiana avy any ivelany. Na, tokony hahamenatra aza ny fandraisana azy ireny, ireharehan’ny Malagasy sasany ny fahazoana izany. Satria, volan’ny firenen-kafa no ampiasaina, tsy maintsy manaiky ny baikony. Na manohitra na manimba ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy aza, tsy maintsy tanterahina, satria, baiko.
Ankoatra ny sehatra politika, anisan’ny mitondra faisana amin’io tranga io ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Tsy sahaza ny taranaka malagasy intsony ny fandaharam-pianarana ampiasaina. Fa, mankaiza ianareo manam-pahaizana, mpikaroka, sns? Nahoana no tsy ovainareo io fandaharam-pianarana io? Ny sehatra rehetra (toekarena, kolontsaina, sosialy…), saika tratran’ny tranga tahaka izany avokoa.
Eto ihany izahay, saingy…
Iray amin’ireo firenena manana manam-pahaizana maro aty Afrika i Mada­gasikara. Saingy, tsy afa-miteny na tsy henoin-teny izy ireny manoloana ny sangodimpanina politika. Maro amin’ny mpanabe sy manam-pahaizana eto no efa mahita fa tsy mety ho an’i Madagasikara sy ny taranaka malagasy, ohatra, io teny vahiny hoenti-mampianatra (mampita fahalalana) amin’ny taranaka malagasy io. Saingy, tsy afaka manao na inona na inona ry zareo, satria, be loatra ny zava-mamatotra ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara.
Na, efa nanao fanambarana miezinezina aza ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina (Unesco) fa: « raha mbola tenim-pirenena hafa no hoenti-mampianatra sy mampita fahalalana ao amin’ny firenena iray, tsy hisy fandrosoana ho hita ao amin’izany firenena izany ». Nitodika manokana tany amin’ireo firenena « osa » ry zareo nandritra ity fanambarana ity.
… Raha mbola baikoin’ny vahiny, raha mbola tsy henoin-teny ny manam-pahaizana, raha mbola vingavingaina ny anti-panahy sy ny manam-pahalalana itoeran’ny fahendrena… Tsy handroso na oviana na oviana i Madagasikara!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: