Mois : septembre 2024

Tetikasa BLP : orinasa 300 notohanana

Fandaharanasan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) natsangana ny taona 2020 ny Fampandro­so­ana ny orinasa madinika sy salantsalany (MPME). Natao hampiroboroboana ny toekarena sy namoronana asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Napetraka ny tetikasa SME Business Linkage Program (SME BLP), izay nahatratra 1 tapitrisa UC ny tetibola novatsian’ny Bad. […]

Robotika : azon’ny Malagasy ny medaly volamena

Natao omaly 29 septambra, tany Grèce, ny andro farany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena robotika, “First Global Challenge”. Miisa 4 mianadahy ny tanora malagasy nisolo tena an’i Madagasikara. Taorian’ny fihaonana nisesy, azon’i Madagasikara ny voalohany, nandrombahana ny medaly volamena. Nizara ny hafaliany i Mariah, nilazany fa «tena faly tokoa izahay amin’izao fandresena […]

Arivonimamo : mirona amin’ny fambolen-kazo sy ny fitsitsiana angovo

Manana paikady mahomby ny tetikasa Diabe, hiarovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fampiasana fatana mitsitsy. Mifantoka amin’ny fampiofanana sy ny fampitaovana amin’ny lafiny tontolo iainana ny tetikasa Diabe. Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanam-behivavy ao amin’ny fokontany Man­jakazaza, kaominina Ambohi­trambo, distrika Arivonimamo. Nilaza Razafiarisoa Elisabeth, fa «maro ny […]

INDRAY MIJERY

Nomarihina ny sabotsy teo ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromontana. “Fohanantsika ireo sakana amin’ny ady atao amin’ny haromontana”. Io no lohahevitra novoizina. Fisorohana tsara indrindra ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny haromontana ireo biby ompiana toy ny saka sy alika. Nanome fe-potoana 48 ora ny Jirama, nanomboka ny sabotsy teo, ny […]

«Jalsa Salana 2024» : niombom-bavaka ny mpino silamo Ahmadiyya

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny mpino silamo Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe isan-taona faha-18 na ny «Jalsa Salana» 2024. Naha­ri­tra telo andro ny fihaonana. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra, narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitry ny Jalsa […]