Mois : septembre 2024

Hita tao anaty caméra de surveillance : mpiambina nangalatra vola tanaty coffre

Saron’ny polisy tao amin’ ny fokontany Bazarikely An­tsi­ranana, ny alahady maraina teo, rehefa nokarohina hatramin’ny sabotsy 7 septambra 2024, ny lehilahy iray nangalatra vola. Vola mitentina 65 tapitrisa Ar no nalainy tao amin’ ny orinasa niasany tamin’io fotoana io. Niafina tao amin’ny efitrano iray ao amin’ny orinasa ity tovolahy mpiambina […]

Taksiborosy nivadika : mpandeha 17 naratra

Vaky kodiarana aoriana tampoka, mpandeha miisa 17 tao anatin’ny taksiborosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny PK 180+900, ny sabotsy 7 septambra teo. Mampitohy an’Ambatoboeny sy Antananarivo io taksiborosy io. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana avy ao amin’ny ilany havanan’ny fiara, tamin’ny 4 ora maraina. Tsy voafehin’ny mpamily intsony […]

Telo voatifitra, 26 voasambotra : lelavola 300 tapitrisa Ar azon’ireo mpaka an-keriny

Mananika ny 300 tapitrisa Ar eo ho eo ny vola azon’ireo olon-dratsy nandritra ny tranga fakana an-keriny nataon’ireo dahalo tao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe, nanomboka ny fiatombohan’ny taona. Olona 26 voasambotra, omaly. “Manodidina ny 300 tapitrisa Ar ny vola azon’ny mpaka an-keriny tamin’ireo fianakaviana lasibatra nanomboka ny fiatombohan’ny taona”, hoy […]