Hikatona rahafakampitso ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ben’ny Tanàna. Tsy misy intsony ny indrafo aorian’izay ho an’izay tara. “Io 26 septambra io no farany. Izay hatrany no mahatonga anay manentana hoe aza miandry farany fa alefaso aloha… Raha vao tonga ny 26 septambra, tsy misy intsony ny fanomezana 48 ora.” […]
Mois : septembre 2024
TSELATRA
Tratran’ny zandary teny Vontovorona, omaly, i Saoly sy ny namany tompon’antoka tamina vaky trano teo akaikin’ny tetezana hiditra ny tanànan’i Vontovorona. Nitondran’ireo jiolahy sarety mihitsy ireo entan’olona avy nangalariny. Nilaza izy ireo fa hamidy eny Anosibe ireto entana halatra ireto. Vao nivoaka ny fonja izy ireo dia izao nanohy ny […]
Mananjary : olona roa may, trano 52 kila
Nitrangana haintrano indray tao Tanambao Mananjary, afakomaly. Tokantrano miisa 52 no levon’ny afo, 218 ireo tsy manan-kialofana. Voalaza fa mpianatra avokoa ny 82 amin’ireo niharam-boina ireo. Anisan’ireo levon’ny afo ny fiara efatra, moto iray ary entana maro mitentina an-tapitrisa tao amin’ireo tokantrano. Ahitana olona marefo ihany koa amin’ireo niharam-boina (vehivavy […]
Nanafika tranombarotra teny Ankasina : tratra ireo jiolahy sy ny mpamatsy basy
Voasambotry ny polisy teny Ankasina, afakomaly, ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra iray eny an-toerana. Notafihin’ireo jiolahy ny tranombarotra lehibe iray eny Ankasina, ny 17 septambra lasa teo. Polisy ao amin’ny kaomisarian’ny 67 no nahasambotra azy ireo niaraka tamin’ny basy, tamin’io fotoana io. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny […]
Ambohimahitsy: mpamaky fiara roa saron’ny zandary
Voasambotry ny zandary ireo roa lahy mpamaky fiara tetsy Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, ny 22 septambra teo. Nijanona hividy sakafo ny tompon’ny fiara. Nanararaotra nanao ny asa ratsiny anefa izy roa lahy ireto. Lasibatra ny vola 530 000 Ar, finday niampy solomaso. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ny tompon’entana very. Nanao […]




