Mois : septembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 90 ny osy natolotra ny tokantrano 30 any amin’ny tanàna vaovao naorina any Bezeky Menabe. Samy nahazo osy lahy iray sy vavy roa ny isan-tokantrano. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Titre vert», napetraky ny filoham-pirenena ity hetsika ity, tamin’ny alalan’ny Fitantanam-paritra Drae Menabe. Hisy koa ny fanohanana ny fiompiana tantely. […]

TARATRY ny KANTO

«Eto ry lala» ! Hira sy tononkalo hotanterahina ny alahady 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Havoria Anosy. Seho tsy fahita tao anatin’ny taona maro. Hiaka-tsehatra ho an’ny hira ny tarika Ny Voamaintilany, i Benny ary i Voara (Tarika Fangia Kalo Gasy). Ratsifa sy Avelo Nidor […]

“Kafe literera” : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny trano famakiam-boky «Mille feuille» Ankoraho­tra, ny hetsika «Kafe literera», iarahana amin’ny mpanoratra Johary Ravaloson. Ny mahakasika ny boky «Fitiavana- Tanindrazana- Fozaorana» no resahina ao anatin’izany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny tafa sy fizarana atolotr’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity amin’ireo mpankafy azy eto […]