Mozika miaina…Ilay mozika misy fanahy, iangalin’ny mpanakanto vory talenta ary raisin’ny mpankafy vonon-kivelatra no nanjaka nandritra ny « Angaredona Mozika Festival ». Nanokatra lalana ho an’ireo mpanakanto maro nandray anjara izany. Eny, vitsivitsy ny mpijery tonga. Fa ireo nanatrika kosa dia mpanjifa samy resy lahatra fa manan-karena ny mozika Malagasy. Nanomboka ny […]
Mois : septembre 2024
Fambolena : mbola tsy ampy ny vary eto Madagasikara
Firenena ahitana fambolena vary betsaka eto Madagasikara, raha ny tahirin-kevitra sy fikarohana maro natao. Amin’ny ankapobeny, miankina amin’ny riandrano ny vokatra miakatra. Mahatratra hatramin’ny 90 % na manodidina ny 4 914 450 t ny voka-bary eto amin’ny Nosy, saingy mbola tsy ampy ny fanjifana eto an-toerana izany. Araka ny fikarohana […]
FANTINA sy FINTINA
Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, taorian’ny fananganan-tsaina teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, omaly, fa tsy misy tohanany manokana ireo mpiadina ho mpandraharahan’ny fonja. Iangaviany hanaiky izay toerana hanendrena ary hiasa izay tafita amin’izany fa tsy voatery ho eto Antananarivo. Miantso sy manentana ny tanora rehetra handray anjara […]
Firenena mikambana : mitarika ny fivoriambe i Madagasikara
Ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, no nitarika ny fivoriamben’ny Firenena mikambana tany New York, ny 22 septambra teo. Taorian’ny fanokafana ny adihevitra ankapoben’ny fihaonana an-tampony momba ny hoavy izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny eto an-toerana. Fotoana manan-tantara ho an’i Madagasikara ny nanendrena azy ho filoha […]
Ho lova tsy mifindra
Mbola tsy manomboka akory ny lalao dia efa raikitra ny fifamotehan’ny samy kandidà ho ben’ny Tanàna. Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa hatrany amin’ireo heverina ho kaominina faran’izay madinika sy lavitra andriana aza. Tsy ny mpifanandrina politika, fa hatramin’ny mpiray lisitra sy antoko aza dia misy manao mpamosavy malemy. […]




