Mois : septembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Eo anelanelan’ny 6%-9% ny fiakaran’ny vidim-piainana mandritra ity volana septambra ity, araka ny vinavinan’ny roa ampahatelon’ny banky eto Mada­ga­sikara. Vinavinain’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa ho 8% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainaa amin’ity taona ity, noho ny fiantraikan’ny vidin-tsolika, ny tahan’ ny fifanakalozana vola vahiny ary ny mety ho fiakaran’ ny […]

injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny

Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly am­bony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny an­jara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny […]

Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely

Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambo­hitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra […]

Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana : nanome 67 tapitrisa dolara an’i Madagasikara

Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena. Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 […]

INDRAY MIJERY

Nisy fifampizarana momba ny fanohizan’ny Malagasy fianarana ambony any Frantsa karakarain’ny Campus France eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga. Isan-taona ny fanentanana sy fampahafantarana toy izao ary tsapa fa mahaliana ny tanora vao nahazo mari-pahaizana bakalorea farany teo ny hetsika. Nitrangana haintrano tao amin’ny Akany Avoko Bevalala, ny […]