Mois : septembre 2024

mitety mpivarotra : roa lahy nahatrarana vola sandoka

Voasambotry ny zandary ny mpisoloky roa lahy mpa­naparitaka vola sandoka tao Tsaramody, kaominina Man­drosohasina, distrikan’An­tsirabe II, afakomaly. Nitondra vola sandoka roa alina miisa 10 izy roa lahy. Manatona mpivarotra, mody mividy zava-pisotro ireto mpisoloky ireto. Manome ny vola sandoka ary mahazo vola fameriny. Mifin­dra mpivarotra hafa indray izy ireo aorian’izay. […]

Lozam-piarakodia: nandriaka ny ra, vehivavy roa maty

Olona roa matin’ny lozam-piarakodia ny faran’ny herinandro teo. Ny iray vehivavy nofaohin’ny kamiaobe teny Malaza (RN1) mialoha ny hiditra an’i Fenoarivo, raha tany Farafangana (RN12) kosa ny vehivavy iray faharoa… Nampihoron-koditra! Vehivavy iray avy nian­tsena no maty tsy tra-drano nofaohin’ny kamiaobe teny Malaza, ny sabotsy hariva teo. Handeha hody izy […]