Seho enina eto Antananarivo. Io no nampahafantarin’ny The Clarisse Sisters fa hotontosainy, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto Madagasikara. Vahiny manokan’ny “Festival Madajazzcar” andiany faha-35, izay hotontosaina ny 3 hatramin’ny 13 oktobra izao ny tarika. Mpiangaly ny jazz avy atsy amin’ny Nosy Maurice, saingy efa mpisehatra amin’ireo hetsika iraisam-pirenena maro any Eoropa izy ireo.
Ny 9 oktobra ny seho voalohany hotontosain’ny Clarisse Sisters, eny amin’ny Arena Ivandry, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hiray sehatra amin’izy ireo, mandritra izany, ny Weaver Trio, tarika ivondronan’ireo mpitendry matihanina sy anisan’ny malaza indrindra amin’ izao fotoana. Ny 10 oktobra ny seho faharoa, eny amin’ny Café de la Gare Soarano, izay iarahan’izy ireo indray amin’i Sandrine Rajaofetra. Fenofeno kosa ny tontolo andron’ny sabotsy 12 oktobra ho an’ity tarika ity. Handray anjara amin’ ny velakevitra manodidina ny lohahevitra “Ny vehivavy sy ny jazz” izy ireo ny maraina, eny amin’ny Mozean’ny sary, eny Anjohy. Hisehatra eo amin’ny seho lehibe ankalamanjana, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo kosa ny tolakandro manomboka amin’ ny 3 ora. Eny amin’ny Le Louvre Antaninarenina, ny alina manomboka amin’ny 7 ora sy sasany. Mazava loatra fa mbola anisan’ireo mandray anjara amin’ny seho famaranana ny “Madajazzcar” ny alahady 13 oktobra ry Clarisse Sisters. Mbola misy ihany koa seho manokana ankoatra ireo voatanisa ireo.
Zo ny Aina




