« Festival des Pirates » : hampiroborobo ny fizahantany any Nosy Boraha

Hotanterahina ny 1, 2, 3 novambra izao, any amin’ny Nosy Boraha, ny «Festival des Pirates» andiany faharoa. Hetsika ara-kolontsaina entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena ao an-toerana. Hisy ny lalao sy fifaninanana, fa­nentanana samihafa, ary fampisehoana ataon’ireo artista maro mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Ham­piavaka ny amin’ity taona ity ny “Chasse au trésor” izay mitaky fampiasam-batana sy fampiasan-tsaina ary noho izy sarotra raha oharina ny tamin’ ny teo aloha. «Natao hanampiana ireo hetsika ara-pizahantany misy ao amin’ny Nosy Boraha ataon’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny Festival des Pirates. Ampivoatra ihany koa ireo toerana manan-tantara any an-toerana entina hisarihina ny mpizahatany ny hetsika», hoy i Bosco Totozafy, filohan’ny fikambanana Le circuit de Forban (LCDF) sady mpikarakara ny hetsika. Hia­raha-mahalala, hoy izy, fa mampalaza ny Nosy Boraha ny “Festival des baleines” izay mahasarika ireo mpizahatany saingy telo volana monja ny fandalovan’ireo trozona any an-toerana. Antony nanaovana ny “Festival des Pirates” hampiroboroboana hatrany ny toekaren’ny mponina.
Nahomby ny hetsika “Fes­tival des pirates” andiany voalohany ka anisan’ny nanohana izany ny Orange Madagascar. «Tanjona ny hampiroboroboana ny kolontsaina sy ny toekarana ao amin’ny Nosy Bora­ha»,hoy ny tomponandraikitry ny Orange Madagascar, Rakotomalala Anita, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy amin’ny Gara Soarano. Notohizany fa manohana hatrany ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatanjahantena ary fizahantany ny Orange Madagascar. Hisy, araka izany, ireo tolotra maro samihafa ataon’ny Orange mandritra ny hetsika.

Henintsoa Hani

Partager sur: