Kilan’ny afo ny trano hazo miisa dimy tetsy Ambodinisotry, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny sampana mpamonjy voina. Nanomboka tamin’ny 2 ora sy 19 minitra ny firehetana. Nifehy ny afo tsy hiparitaka tamin’ny manodidina ny mpamono afo. Naharitra ora roa sy sasany ny faharetan’ny famehezana ny afo. Vokany, may avokoa ireo trano vita amin’ny hazo miisa dimy. Ankoatra io, nitrangana haintrano koa teny amin’ny Petite vitesse ny harivan’ny talata 08 oktobra teo. Niainga avy ao amin’ny toeram-pivarotana kojakoja fampiasa amin’ny herinaratra ny firehetana ho an’ny tao an-toerana, tamin’ny 7 ora sy 56 minitra. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina ka tsy nanao sarotra ny famonoana ny afo. Manentana ny tsirairay hamono hatrany ny fitaovana ampiasana amin’ny herinaratra mba hisorohana ny loza toy izao, ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampana mpamonjy voina.
Tsiferana R.




