Nanaitra sy nahavelombelo ny filazan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa anio dia anio no hisy vahaolana entiny ho an’ny jiro sy rano eto Antananarivo. Iza no tsy ho faly raha nahare izany ? Efa ho lava sy mankaleo tanteraka ny zava-misy iainana. Tena hoe fatiantoka tsy fantiantoka amin’ny seha-pihariana rehetra. Ireo mivelona amin’ny vola miditra anio, hohanina anio no tena voa mafy.
Sasa-miandry ny rehetra, aiza koa ro hahita ? Firy taona izay tsy nisy vahaolana, tampoka teo nisy ny fanomezan-toky. Mino ny mponin’Antananarivo, satria anisan’ny tena mampiavaka an’ny filoha ny fandraisany an-tanana ny olana rehefa tampi-dalankaleha ny eo ambany fitarihany. Izy hatrany no misolo vaika ny ankalana sy mitady ny lalan-kivoahana matetika.
Tsy ny olan’ny rano sy jiro ihany fa betsaka ny sehatra tsy maintsy nidirany vao voavaha.
Asa inona no sakana ho an’ny tomponandraikitra sasany ? Na efa halohalika aza ny ranom-bary, mifampitazantazana hatrany ry nomem-pahefana. Raha tsy ny any an-dapa no minia maka ny fepetra ilaina, na mikaroka ny vahaolana hamehana dia ilay vahoaka madinika ihany no mizaka ny tsy eran’ny aina.
Mandra-pahoviana vao mba ho lohalaharana ilay vahoaka malagasy ? Tsy misy mahita sa tsy misy mpiraharaha tsotra izao ilay olana goavana sedraina. Mafy ny ady fa tsy misy mijery. Samy manavotra ny ainy sy mitady izay hamelomany ny ankohonany sisa. Zara fa miaina sy velona sisa ilay mponin’Antananarivo fa tsy misy zava-manjary intsony eto an-tanana.
Miditra anatin’ny fotoam-pifidianana indray izao ! Ho avy ny mpamitapitaka sy mpivarotra am-pitsanganana. Asa raha mbola ho roboka amin’ny vahaolana peta-toko indray ny mpifidy ? Ho amin’ny anio miandry fahagagana aloha, avy amin’ny Filoha !
r.r




