Hitohy amin’ny alahady 13 oktobra izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “Top 12 Mada”. Lalao telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Uscar, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny 3FB an’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Adin’ny samy boaty ny an’ny roa tonta. Raha ny fihaonana farany teo amin’ny roa tonta, hanala vela ny 3FB. Ry zareo fahasalamana izay nanova ireo mpilalao mandrafitra azy ka mampijoro ireo zandrikely. Na izany aza, manampy azy ireo hatrany ireo zokibe efa nahalalana ity ekipa ity, toa an-dry Rija sy Tanjona ary Narly. Etsy ankilany, fileovana manana ny toerany ny Uscar ary ahitana ireo mpilalao manana traikefa, tarihin-dry Dadatoa sy ny namany. Samy matanjaka ao anaty “avant” izy roa tonta ireo.
Ankoatra izay, hifampitana koa ny Tam Anosibe sy ny FTM Manjakaray. Lalaon’ny samy kartie indray izy ity. Manantombo aloha ny Manjakaray, saingy hanao izay ho afana hanoherana an-dry Lahatra sy ry Koroka ny Tam. Hanao valin’ady rahateo ny ekipan’Anosibe amin’ity. Mialoha izany, hidona ny TFMA (Boaikely manohitra) sy ny FTBA. Hotanterahina amin’io alahady io koa ny dingana ampahavalon-dalana “Top 20”, hikatrohan’ny 3FAI Ambalavao sy ny 3F5 Amboditsiry.
Tompondaka




