Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM), ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Scorpion Gambie. Lalao hatao rahampitso, ao amin’ny kianja Larbi Zaouli, ao Maroc. Hanomboka amin’ny 5 ora folakandro eto Madagasikara izany. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny Can 2025.
Resin’i Afrika Atsimo, ny talata lasa teo, i Madagasikara teo amin’ny andro faharoa, amin’ny fiadiana ny ho fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U12 taranja tenisy. Lalao tanterahina any Botswana. Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Malagasy. Hitohy, anio, ny fifanintsanana amin’ity lalao karakarain’ny ITF sy ny CAT ity.
Tontosa ny 7 hatramin’ny 9 oktobra lasa teo, tany Seychelles, ny CJSOI (Commission de la Jeunesse et des Sports de L’Océan Indien). Nanana solontena nanatrika izany i Magadasikara tamin’ny alalan’ Andrianaina Arnaud, avy amin’ny MJS.
Hatao ny 12,13, 19,20, 26 ary 27 oktobra izao, ny Inter Call Contest. Fifaninanana taranja basikety natokana ho an’ny orinasa, izay hotontosaina ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Hisy fifaninanana tifitra isa 3 sy Miss&Mister ary Pom Pom Girl amin’io fotoana io.




