TARATRY ny KANTO

Hiray sehatra, etsy amin’ny Grand Café de la Gare Soarano ry The Clarisse Sisters sy Sandrine Rajaofera, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Arahin’ireo mpanakanto mpitendry matihanina izy ireo, mandritra izany. Anisan’ny vahinin’ny “Madajazzcar” ny The Clarisse Sisters” avy atsy amin’ny Nosy Maurice.
Gongary, tarika mpivoy ny mozika rock indray no hanafana ny No comment Bar Isoraka, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hivondronana tanora nampiraisin’ny fitiavana ny mozika mavesatra ny Gongary. Eo am-pametrahana ny anarany ry zalahy amin’izao fotoana, ka miezaka ny miseho matetitetika mizara ny kantony.
Misokatra manomboka anio hatramin’ny 19 oktobra 2024, eny amin’ny IFM Analakely, ny fampiratiana “Fusion, visions et perspectives”. Zavakanto nataon’i Misa Ratrimoharinivo izy ity. Amin’ny ankapobeny, zavakanto vita amin’ny tenina no haranty mandritra ny hetsika.
Ireo tanora avy amin’ny Centre Espoir Malinjo indray no nisitraka ny atrikasa fanaovana sary hosodoko, omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, tao anatin’ny fandaharanasa Hay. Tanjona ny hampahalalahana ny zavakanto sy hampivelarana azy ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo tanora manana fahasembanana.

Partager sur: