Mois : octobre 2024

INDRAY MIJERY

4 mianadahy ireo Fulbright English Teaching Assistants (Etas) tonga eto Madagasikara. Manampy ireo tanora amerikanina vao nahavita ny fianarany tamin’ny ambaratonga ambony na koa ireo vao miditra amin’ny sehatry ny asa fampianarana ny Etas. Mandritra ny sivy volana no hanatontosany izany amin’ny sekoly sy oniversite samihafa maneran-tany. Miara-miasa amin’ireo mpampianatra […]

CHU Anosiala: nitombo ny tahan’ny olona tapaka lalandra

Nisongadina ny fiakaran’ny tahan’ny olona tratran’ny fahatapahana lalandra na AVC tamin’ny volana septambra, tao amin’ny CHU Ano­siala, araka voalazan’ny tompondraikitra . Mihamaro ihany koa ny tanora tratry ny aretina. Tsy tokony hovarimbariana na mangataka andro lava, araka izany, ireo manana tosidra avo. Ilaina ny fanatonana do­kotera sy manaraka ny toromarika […]

Fanabeazana sy kolontsaina : mamolavola olom-banona sy vonona

Mifameno sy mifampiankina ny kolontsaina sy ny fanabeazana, araka ny fanazana nentin’Andrianamelasoa Fahombia­zana, mpanabe sy mpitarika tanora. “Nohariana hanana vatana saina fanahy ny olombelona. Tombony kosa ny fananantsika fivelanran-tsaina bebe kokoa. Ny fanabeazana dia manondro ireo dingana arahina hahazoan’ny olona fahalalana, fahaiza-manao, soatoavina sy fahaiza-miaina. Sehatra famolavolana olona hahaleo tena […]

Fampianarana teknika: mila fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny tolotra fampiofanana

Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana sy ny fanofanana teknika. Mila fanavaozana sy ampanarahana fenitra izy ireny hamaly ny filan’ny sehatr’asa amin’izao fotoana. Mikaondoha momba izany ny mpiara-miombon’antoka. Nihaona tetsy Anosy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra miantsehatra eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, omaly. Nikaondoha mahakasika ny fampandrosoana ny fampianarana […]

Fisoratana anaty lisi-pifidianana: manoro ireo dingana ahazoana “ordonnance” ny Ceni

Nanome toromarika amin’ ireo dingana samihafa atao amin’ny fangatahana ny didim-pitsarana “Ordonnance” ny eo anivon’ny Ceni. Nam­baran’ny mpampakan-teny, i Soava Andriamarotafika, fa maro ireo manontany na mangata-panazavana momba izany. Nanteriny fa tsy manavaka ary tsy mametraka fepetra ho an’ny olom-pirenena izany mba hahafahana misoratra anaty lisi-pifidianana ho an’ireo tsy tafiditra […]