Mois : octobre 2024

Torolalana “Hay fidy” an’ny TI-IM: “Tokony hampanjakaina ny mangarahara…”

Tafiditra amin’ny fanentanana ho an’ny olom-pirenena, entin’ny Transparency Inter­na­tional – Initiative Madaga­sikara “TI-IM” ny fampahafantarana ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Notsiahivin’izy ireo amin’ilay torolalana “Hay fidy” izany. Nambaran’ny TI-IM fa manana andraikitra iadiana amin’ny kolikoly ireo mpitantana ireo. “Mampanjaka ny mangarahara eo amin’ny fitantanam-bolan’ny kaominina. Mampanjaka ny fitondrana […]

Birao maharitry ny Antenimiera: misy ketrehina haongana !

Telo volana taorian’ny nijoroan’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, miala any ny tetika fanonganana. Lasibatra ny mpitantana ny resa-bola sy ny tombontsoan’ny depiote. Nahoraka teny amin’ny Antenimerampirenena, nanomboka tamin’ny fa­no­kafana ny fotoam-pivorian ara-potoana faharoa ny mo­mba ny fanonganana ny birao maharitra. Raha ny angom-baovao teny Tsimbazaza, oma­ly, lohalisitra tamin’ny olona tokony […]

Fampivoarana ny Antenimiera: dinihina any Geneve ny momba ny teknolojia

Hatsaraina hatrany ny asan’ny Antenimiera. Mana­trika ny fivorian’ny Union Inter­parlementaire andiany faha-149, any Genève ny solontenan’ny Antenimierampi­rene­na. Mitarika ny delegasiona ny kestora faharoa, Andrianasolo Nadine, sy ny solombavambahoaka mpampakan-teny lefitra, Raholijaona Harson, ary ny depiote Rakotomalala Mia­rintsoa. Miaraka amin’ny tale misahana ny fanaovan-dalàna eny anivon’ny Antenimieram­pirenena izy ireo. Maromaro ny […]

Diplaomasia: marolafy ny fiaraha-miasa amin’ i Rwanda

“Tena miara-miasa akaiky i Rwanda sy i Madagasikara, izay firenena roa tena manana fifandraisana mipetraka ary mbola handalina misimisy izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny roa tonta”. Io no nambaran’ny ambasadaoron’i Rwanda, Sem Emmanuel Hategeka, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorany ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny […]

Rakotoamboa Jean-Louis: “Mila hahitsy tanteraka ny fitsipi-dalao amin’ny demokrasia eto”

Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly amin’izao? Eny, na ny demokrasia amin’izany aza… Maneho ny fijeriny ny ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis: “Ny fitsipi-dalao amin’ny demokrasia no mila hahitsy tanteraka: ny Lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna momba ny antoko politika, ny lalàna mifehy ny sersera… ” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]