Mois : octobre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Tsy maintsy mivory isan-kerinandro miaraka amin’ny filoha Rajoelina ireo tomponandraikitry ny rano sy ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena, ohatra. Hentitra ny nanambarany izany, omaly, teny Man­droseza, mba hanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Mamotika ny fihariana madinika ny delestazy. Voatery ajanona […]

Zavamananaina aty Afrika : nihena ho 76% tao anatin’ny 50 taona

Tandindimon-doza ireo karazan-javamananaina aty Afrika vokatry ny fahasimban’ ny toeram-ponenany. Mihoa-pampana ny fitrandrahana ataon’ny olombelona, ny fandotoana ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vo­kany, nihena 76% ny salan’i san’ny biby aty Afrika nanomboka ny taona 1970, araka ny tarehimarika navoakan’ny “Rapport Planète Vivante 2024”. Voalaza fa nihena 85% ny habetsaky ny […]

Mifandefona ivoho indray

  Hitsina ny resaka, vantanina ny tafa mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana eto amin’ity firenena iaraha-manana ity. Sanganehana ihany mahita ny fivoaran’ny raharaha politika, ankapobeny. Toa milamindamina hafahafa izany. Toa mandeha tsy mandeha ny zava-drehetra. Raha tazanina avy ety ivelany, manodoka izay tsy izy. Rehefa tomorina anatiny anefa, toa […]

Saran-dalana aloa amin’ny finday: misantatra ny andrana ny taksibe amin’ny zotra 147 D

Maro ny tsy fanajan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika, toy ny fandoavana ny saran-dalana amin’ny finday. Miroso tsikelikely amin’ ny fampanaraham-penitra ny fandrindrana ny fitaterana taksibe. Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Carte Passe Partout (CPP) System Mada­gasikara sy ny […]