Mois : octobre 2024

“Fullmoon Dj Festival”: vahiny mpikosoka kapila maro andrasana

Misesy ny hetsika ara-javakanto any Toamasina. Taorian’ny “Star tour” sy mialoha ny “Makua Music Festivals”, handray ny “Fullmoon Dj Festival” ny renivohitry ny faritra Atsinanana, ny 18   sy ny 19 oktobra ho avy izao. Hetsika goavana eo amin’ny sehatry ny fanafanana alim-pandihizana izy ity, satria dia handray ireo vahiny mpikosoka […]

«Makua Festival Music »: hanetsiketsehana ny zavakanton’i Toamasina

Anisan’ny fameloma-mason’ny faritanin’i Toamasina, ataon’ireo olo-malaza avy ao aminy, ny « Makua Festival Music ». Zanak’i Toamasina avokoa ny miara-misalahy amin’ny fikarakarana azy ity. Hotanterahina ny 31 oktobra 2024 hatramin’ny 3 novambra 2024, manoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina, ny « Makua Festival Music », andiany voalohany. Hetsika karakarain’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina miaraka amin’ny Makua […]

INDRAY MIJERY

Ny diabeta sy ny ativava indray no lohahevitry ny fampianarana ho an’ireo olona diabetika hatao eny amin’ny Amadia Faravohitra, ny sabotsy izao. Natao ho an’ireo olon-dehibe manana toe-tena diabetika indray ny fifampizarana amin’io. Mila kolokoloina ny ativava na dia ho an’ny olona salama aza. Mivaivay ny doro tanety any amin’ny […]

Fampiasana zaza tsy ampy taona : mamolavola drafitra nasionaly II i Madagasikara

Natomboka omaly, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny famolavolana sy fandrafetana ny drafitra vaovao nasionaly II (PNA II) mahakasika ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ho an’i Madaga­si­kara. Miara-mifanome tanana amin’izany ny governemanta iray manontolo, amin’ny ala­lan’ny minisitera samihafa sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny sehatra tsy […]

Lakandrano Anosibe : tsikafona 4 000 m3 esorina

Manohy ny asa fanadiovana ny lakandrano ny tetikasa Produir. Manala ny tsikafona manafotra ny lakandrano ao amin’ ny Bassin tampon eny Anosizato ny ekipa amin’izao fotoana. Tsikafona 4 000 m3 no hoesorina eny an-toerana. Man­dalo an-tanan-tohatra ny fitaterana izany tsikafona izany eny amin’ny tobim-pako Andralanitra mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana […]