Mois : octobre 2024

Nahitana trangana kitrotro 6 tao Ambositra : ankizy 10 267 487 hisitraka vaksiny manerana ny Nosy

Natao tao Ambositra an-tampon-tanàna ny fanombohana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy latsaky ny 5 taona amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita. Hanatrarana ihany koa ny vaksiny rehetra ho an’ireo ankizy tsy mbola nahazo fatram-baksiny mihitsy hatramin’izay. “Distrika iray amin’ireo telo nahitana fiparitahan’ny valanare­tina kitrotro, tamin’ity taona ity, ny teto […]

Fandraharahana: tanora 27 mianadahy vonona hiatrika asa

Nivoaka ny sabotsy teo, teny Ambatobe, ny tanora 27 mianadahy avy amin’ny andiany “Mamiratra”, nahavita fiofanana teo anivon’ny Future Leader Young with Potential (Fly-P) ao anatin’ny fandaharanasa Solika Groupe. « Tanj­ona ny hananana tanora mendrika eo amin’ny sehatry ny asa », hoy i Herisoa­lalao Natacha, reny mpiahy ny hetsika sady mpanorina ny […]

Mpandraharaha avy any Emirats: hisehatra amin’ny hotely lehibe sy sakafo

Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny mpandraharaha avy any Emirats Arabo Mitambatra (EAU), Emmar Mohamed Al Abbar. Nilaza ny Filoham-pirenena fa fanta-daza maneran-tany amin’ny fandraharahana izy, indrindra ny lafiny fizahantany sy zavatra hafa maro. Maro ny fampiasam-bola nataony maneran-tany, toy ny nanovana an’i Dubai. Koa, voninahitra ho […]

Fisitrahana herinaratra : mitaky famatsiam-bola hatrany amin’ny 7 miliara dolara

Mitentina hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara hampakarana ny tahan’ny fisitrahana herinatra ho an’ny vahoaka. Vina ny hampakarana izany ho 70% hatramin’ny taona 2030. Mahatratra hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny fampiasam-bola ilain’i Madagasikara hahafahana mamatsy herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy. Vina ho an’ny taona 2030 ny […]

vidin-tsolika: mitaky fepetra maro

« Maro ireo teboka lehibe tsy maintsy apetraka mialoha ny fampiakarana ny vidin-tsolika, toy ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny zava-misy amin’ny ankapobeny », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, omaly, nandritra ny dinika niarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, teny Alarobia. Fizotra ara-teknika, hoy izy, no natao ny […]