Mois : octobre 2024

Rano: mahatratra 748 m3 ny voazara, omaly

Mamoaka ny tahan’ny fahafenoan’ny siniben-drano eto Antananarivo ny Foibe mitantana ny rano (COR), isaky ny amin’ny 6 ora maraina, amin’ny 12 ora atoandro ary amin’ny 6 ora hariva. Nahatratra 748 m3 ny hadirin’ny rano notsinjarain’ny fiarabe miisa 21, tamin’ny siniben-drano 51, omaly. Nisy tamin’ireo nofenoina indroa na intelo nandritra ny […]

« Rond point » Ampasika: ho vita amin’ity herinandro ity ny lalana

Mitohy ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Miasa andro sy alina ny orinasa manatanteraka azy ireny. Hovitaina amin’ity herinandro ity ny eny amin’ny fihodinana « rond point » Ampasika, man­kany Itaosy. Anisan’ny efa vitan’ny orinasa Magic, ny alahady alina teo, ny mifanandrify amin’ny hotely Etoile Rouge, mitohy eny amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. N­ijery […]

Andekaleka: ringana ny ala vokatry ny fanaovana tavy

Mahitsy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna Andekaleka amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra aty Antananarivo. « Mirongatra ny fanimbana ny doro ala sy ny tavy », hoy izy. Mitranga isan-taona ny tsy fahampian’ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Anisan’ny mamatsy azy ny tohodranon’Andekaleka, ahitana gropy miisa 4, mamokatra herinaratra. Tsy afaka mihodina araka ny […]

FANTINA sy FINTINA

Notokanana omaly ny foiben’ny kandidà Ra­va­lomanana Tojo etsy Ambohimanarina. Nambarany tamin’izany fa fanokafana fotsiny ihany izao natao izao. “Mbola hiverina izahay fa nandalo fotsiny ihany aloha androany. Afaka mandalo eto amin’ity foibe ity avokoa isika mifampiresaka”, hoy izy. Tsiahivina fa nanao diabe izy ireo tamin’izany. Nifanakalo hevitra sy nametraka paikady […]