Nanao atrikasa ho fampiroboroboana ny Paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) ny eo anivon’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI) sy ny avy amin’ny Samifin, omaly, tetsy Antanimena. Niatrika izany koa ny eo anivon’ny Pac sy ny Arai ary ny Bianco, notronin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fampandrosoana niomerika. Niompanan’ny atrikasa hitohy, anio, ny fametrahana […]
Mois : octobre 2024
Tantaram-pirenena : nisy ny hetsika nanamarihana ny 14 oktobra 1958
Tsy nanadino ny fetin’ny Repoblika Malagasy ny fitondram-panjakana. Nisy ny hetsika teny Andafiavaratra, omaly. Fampirantiana sary, famelaberalan-kevitra, fotoam-pivavahana no nanamarihana ny faha-66 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, 14 oktobra 1958-2024, omaly. Teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no nikarakaran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany. Nambaran’ny minisitra Mara Volamiranty Donna fa “raha olona tsy […]
Tsy ahitana vokatsoa
Nahavelombolo ny fahafahan’i Madagasikara nisehatra amin’ny kianjaben’izao tontolo izao, ankehitriny. Tena nahasodoka ny ezaka vita tamin’ny raharaham-bahiny. Nihazakazaka ny fifanarahana ara-bola sy ny tontolon’ny fandraharahana. Betsaka ny vonona hampiasa vola sy hizara ny fahaiza-manaony. Nahakasika sehatra sy sokajin’olona maro izany. Ny vokatra sisa andrasana! Milofo fatratra mitady izay azo […]
Namono mpianaka : dahalo lavon’ny zandary
Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny fokontany Iorimbato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny sabotsy teo, ny dahalo raindahiny, tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany vao menavava no maty novonoin’ity malaso ity, ny faran’ny septambra teo. Tamin’ny fotoana nitondrana azy no nitaraina ho narary kibo ity […]
Bazaribe – Toamasina : renim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Raha tsy matin’ny jiolahy dia matin’ny hanoanana! Izany ny zava-misy iainan’ny mponina ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana (Toamasina) amin’izao fotoana izao. Renim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona, sahirana ara-pivelomana, no maty vokatry ny fianjerana tampoka teo amin’ny arabe tao Bazaribe Ampasimazava Toamasina, omaly. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy, tsy misy mpiahy […]




