Nandritra ny fidinana teny anivon’ny orinasa maromaro nataon’ireo mpanara-maso ny asa, ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana no nahafantarana fa maro ireo lehiben’orinasa tsy mampihatra akory ilay karama farany ambany tokony hositrahin’ny mpiasa. Tsy sahy manao fitakiana na miandry ny rariny ireo mpiasa ka manaiky ny karama vary masaka […]
Mois : octobre 2024
Fambara fahaketrahana : mila omen-danja ny fahasalaman’ ny saina any am-piasana
Fotoana hanomezan-danja ny fahasalaman’ny saina eny anivon’ny toeram-piasana ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana amin’ity taona ity, manomboka rahampitso ary haharitra hateloana, eto Antananarivo. Misy fambara fanairana tsy voatery miseho ety ivelany tokony hanaitra ny fianakaviana na ny manodidina fa mety tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina ny olona iray […]
VAOVAO TAMBATRA
Nihena ho 4 300Ar ny kilaon’ny siramamy mena raha toa ka 4 800Ar izany teo aloha. Mahavelombolo ny mpanjifa, indrindra ny fitantanana isan-tokantrano, ny zava-misy. Tsiahivina fa efa tafakatra hatrany amin’ny 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy tamin’ny taon-dasa ka nampikaikaika ny mponina. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ireo vary nafarana avy any Pakistan […]
Agroekolojia : fiatrehana ny haintany any Atsimo
Ampiharin’ny mponina any Atsimo ny fomba fambolena agroekolojika. Tanjona ny ahafahana miatrika ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Teknikam-pambolena vaovao mahazaka ny haintany ny agroekolojia. Fambolena amina velarantany 10 ha farafahakeliny. Manodidina ny 2 hatramin’ny 3 taona ny fahavelomany, ka azon’ny mponina atao sakafo ny vokatra ary atao kitay ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Farany ary manana isa 0, amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja rugby, sokajy vehivavy « WXV III », izay tontosaina any Dubaï, ny Makis Ladies, amin’izao fotoana. Ny zoma ho avy izao moa ity ekipam-pirenena malagasy ity no hifanandrina amin’i Samoa. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, […]




