Fihaonana nanjakan’ny embona sy tsiahy. Feno fihetseham-po maro ihany koa ny seho izay notontosain’ny tarika Levelo, Tselonina ary Ifanihy, ny sabotsy hariva teo, tetsy amin’ny Phô Resto-Aire du By Pass. Efa tena ela no tsy nisy ny fiarahana an-tsehatra ho an’ireto tarika samy tompon’ny hira ireto. Efa ela ihany koa […]
Mois : octobre 2024
Tsy fandriampahalemana tao Toamasina: 227 ny olona maty nandritra ny roa volana
Olana iray mampimenomenona sy mampitaraina ny mponina amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy ny trangana tsy fandriampahalemana. Anisan’ny miaina izany tsy tapaka hatramin’izao ny faritanin’i Toamasina. Betsaka ireo olon-tsotra maty vokatry ny asan-jiolahy isan-karazany. Manjaka ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritr’Atsinanana tao anatin’ny fotoana maro izay. Ahitana izany avokoa eny […]
FANTINA sy FINTINA
Hivoaka rahampitso ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Hitohy ny alarobia izao izany amin’ny fanaovana antsapaka ny ho laharan’ireo kandidà ao anatin’ny biletà tokana. Hotanterahina eny amin’ny CED isaky ny distrika izany. Apetraka ny paikady sy ny tsy maintsy hanaovana laharam-pahamehana […]
Fivorian’ny Antenimierampirenena : hafana ny adivehitry ny depiote momba ny sosialy
Hisokatra ny talata 15 oktobra izao ny fotoam-pivoriana faharoa eny anivon’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny fanapahan-kevitra andrasana amin’ireo depiote ny momba ny sosialim-bahoaka. Eo aloha ny momba ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola, Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ny amin’ny tsy maintsy hampiakarana ny vidin-jiro sy ny hetra alaina amin’ny karama farany ambony ho […]
Fampandrosoana ifotony
Anisan’ny hoe fototry ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona na ny sosialim-bahoaka. Atao laharam-pahamehana izany, omena tombondahiny manokana, ampiroboroboana… Mby aiza? Na izay no tena imasoana sy lohalaharana amin’izay rehetra atao… Mba inona, hono, rey olona, no fiantraikan’izay atao amin’izao eo amin’ny fiainam-bahoaka? Na mivantana io, na […]




