Namory ireo tomponandraikitra rehetra misahana ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny hafatrafatra napetrany tamin’izany. «Hiatrika dingana lehibe i Madagasikara amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao. Ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana tanteraka no tokony hanatanterahina izany». Io ny hafatry […]
Mois : octobre 2024
Tsaratanàna : trano 18 kilan’ny afo
Trano 18 hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Amparihimaina, kaominina Tsaratanàna, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 5 oktobra teo. Niainga avy amin’ny tokantrano iray tao amin’io tanàna io ny firehetana. Nandrivotra mafy rahateo ny andro ka nanao sarotra ny fifehezana ny afo. Nihitatra tamin’ny trano manodidina izany. Nihombo tamin’ny tafon-trano an’ny […]
Nandoa 43 tapitrisa Ar : roa lahy navotsotr’ireo mpaka an-keriny
Navotsotr’ireo dahalo mpaka an-keriny tao Mangarivotra Sarotramalona, kaominina ambanivohitr’Ambavasambo, distrikan’Anjozorobe, omaly, ireo roa lahy nalain’izy ireo an-keriny. Taorian’ny fifampiraharahana nataon’ny fianakaviany tamin’ireo dahalo dia nandoa vola mitentina 43 tapitrisa Ar izy ireo ho takalon’ny havany ka izao votsotra izao. Ny 16 septambra 2024 izy ireo no nalain’ny dahalo an-keriny tao […]
Mpivady voaroba : lasa ny vola 1 000 euros sy 8 tapitrisa Ar
Jiolahy telo nirongo basy sy antsibe no niditra an-keriny tao amina tokantranona iray, monina ao Ampasimazava, Toamasina, omaly mitataovovonana. Teo am-pisakafoana izy mivady no niditra an-keriny sady nanambana basy ireo olon-dratsy. Notsindromin’ireo jiolahy ny antsy ny renim-pianakaviana sady nakapokapok’izy ireo tamin’ny rindrim-bato ny lohany. Lasan’ireo mpanafika ny vola vahiny 1 000 […]
Nisy tadio nanapaka ny lalana : Vehivavy iray maty, nipitika avy tao anaty fiara 4×4
Maty nipitika avy tao anaty fiara 4×4 ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny amin’ny Lalam-baovao Tsarasaotra. Nilaza ireo naratra fa nisy tadio nanapaka tampoka ny lalana. Nipitika avy tao anaty 4×4, maty tsy tra-drano ny vehivavy iray manodidina ny 40 taona, tetsy amin’ny Lalam-baovao Tsarasaotra, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Mpandeha […]




