Tonga nitsidika ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Ambohijatovo, ny Consul honoraire an’i Sénégal eto Madagasikara, Souleymane Diagne. Nifampiresahana ny fampivoarana ny fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ka hisy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Sénégal momba izany. Araka ny vaovao […]
Mois : octobre 2024
Tenisy – “ITF World Tour Junior J30”: nanao pao-droa Rakotomalala Mahefa
Niavaka ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis World Tour Junior J30”. Nahazo amboara telo i Madagasikara ka ny roa tamin’ireo norombahin-dRakotomalala Mahefa avokoa. Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ ny Club Olympique de Tananarive (COT), ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF […]
INDRAY MIJERY
Manoloana ny olana teo amin’ny valin’ny bakalorea 2024 tany Toamasina, nidina ifotony any an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, omaly. Nitady vahaolana mahakasika izany miaraka amin’ny tomponandraikitra rehetra voakasika n anton-diany tamin’izany. Hitsidika ireo vehivavy nodidina vokatry ny aretina mamany lava raisina an-tanana […]
Famarinana olona: mila sahy mitoroka sy mandray andraikitra
Manaitra ny sain’ny rehetra ny Biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH) fa tokony ho sahy mitoroka avy hatrany izay mahita tranga mampiahiahy miendrika fanararaotana na famarinana olona. Anjara biriky ho fanavotana ireo lasibatra ny fahasahiana mitoroka. Afaka miantso ny laharana 034 32 111 22 raha mahita fihetsika heverina ho famarinana olona. […]
Ady amin’ny fanararaotana ankizy : hanolotra fitaovana ny Amerikanina
Nanome fampitaovana ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny masoivoho amerikanina. Tanjona ny hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny internet. Hanampiana ireo mpanao famotorana hanao fanadihadiana lalina momba ny trangana famarinan’olona, indrindra mianjady amin’ny ankizy, ireo fitaovana. Solosaina sy fitaovana fitsirihana ahitana haingana ny […]




