Nomarihina omaly ny fiverenan’ny famatsiam-bola amerikana eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fanombohan’ny tetikasa « Lova » vatsian’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) no hanatanterahana izany. Natao hanatsarana ny fianaran’ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra, amin’ny famakiana teny sy ny kajy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ny […]
Mois : octobre 2024
Fadintseranana – Nosy Be: Tafapetraka ny Birao ho fanaraha-maso
Am-perinasa tanteraka ny sampandraharahan’ny fadintseranana misahana ny fitiliana sy ny fanaraha-maso (Bureau de surveillance douanière) ao Nosy Be. Tonga tany an-toerana nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. […]
Harena anaty ala: azo volena ny hazo fandrehitra
Tafiditra ho anisan’ireo filan’ny mponina andavanandro ny fampiasana ny arina fandrehitra. Azo atao tsara ny mampihena ny fanimbana sy ny fanapahana ala amin’ny alalan’ny fambolena hazo fandrehitra (bois énergie) ilain’ny mponina eny ifotony amin’ny andavanandrom-piainany. Mavitrika mamboly izany ny fikambanana mpamboly hazo antsoina hoe “Soaravy” ao Mangily, kaominina Bemanonga, faritra […]
Seha-pihariana cacao: mampiroborobo ny fizahantany
Mampitombo isa ny mpizahatany ho avy eto amintsika sy mampidi-bola ho an’ny tantsaha ny fandaharanasa Circuit de Cacao de l’est de Madagascar. Manana traikefa sy mampiroborobo izany ny tetikasa Ala Cao ao amin’ny distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Mamboly cacao sy mamerina ny ala amin’ny manodidina ireo tantsaha ka velaran-tany 500 […]
Jono : 20 000 taonina ny hazandrano aondran’i Madagasikara
Mamelona fianakaviana an’arivony sy mampidi-bola amina tokatrano maro eto Madagasikara ny jono. Manodidina ny 200 000 taonina isan-taona ny vokatra eto amintsika saingy 20 000 taonina monja ny aondrana. Mbola ambany ny fampidiram-bola azo avy amin’ny jono eto Madagasikara izay tsy misy afa-tsy 7% ny harinkarena faobe. Tanjona ny hampiakarana izany ho […]




