Anatin’ny « ambiansy » ny fifidianana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa mipetrapetraka avokoa ny paikadin’ny fampielezan-kevitra avy amin’ny ankolafin-kery rehetra na mpanohana, na mpanohitra fitondrana. Indrindra ny mahaleo tena tsy anaty antoko. Efa mahoraka ny adisisika mangingina, mitety tanàna. Manginy fotsiny ny fidinana an-dalambe mampahafantatra ny kandidà sy ny vinan’asany. […]
Mois : octobre 2024
Fifidianana ben’ny Tanàna : mbola vitsy na mitombo isa aza ny vehivavy kandidà
6% amin’ireo kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ihany no vehivavy. Efa mba nitombo izany raha oharina tamin’ny fifidianana farany teo, saingy mbola vitsy. «Mahatratra 5 389 ny isan’ny kandidà, 327 na 6% ny vehivavy. Midika izany fa mbola vitsy ireo vehivavy kandidà amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao. Misy fiakarany izany raha […]
Halatra moto : ravan’ny zandary ny tambajotra
Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny roa tamin’ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto. Nanao izay ho afany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely nanao ny fanenjehana ireto olon-dratsy ireto ka nahitam-bokany izany. Nitrangana vaky trano tao Andranovao Ambohimangakely, ny alin’ny 22 desambra 2023. Nopoizinin’ireo jiolahy ny alika mpiandry tanàna. […]
Anosibe : vehivavy voaendaka teny ambony taxi-moto
Ranomaso ny an’ny renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teny ambony taxi-moto, omaly antoandro. Jiolahy telo nitondra antsy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Mipetraka eny Andavamamba izy ka handeha haka entana eny Anosibe Tsena no nifanehatra tampoka tamin’ireo olon-dratsy. Mivarotra enta-madinika ny asany ka isan-kerinandro izy no maka entana eny Anosibe, raha ny […]
Ambohimanambola: ankizilahy nilomano hita faty
Nifampitadiavana nanomboka ny harivan’ny alarobia, hita tao anaty rano ny fatin-jazalahy 12 taona, tao Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nilalao niaraka tamin’ny namany izy, ny tolakandron’ny alarobia teo. Ankizy tafaraka ka samy nanala akanjo ary nilalao rano. Nifaninana niampita nihazo ny gara ireo ankizy ireo. Nanao izay ho afany, araka […]




