Mois : octobre 2024

Analakely: nororitin’ny mpanao sinto-mahery ny finday

Nikiakiaka sy niantso vonjy sisa hany herin’ilay vehivavy niharan’ny sinto-mahery teo amin’ny arabe mifanila amin’ ny Pavillon Analakely, omaly hariva tamin’ny 6 ora. Na­moaka telefaonina, niresaka tamin’ny olona tamin’ny ala­lan’ny antso ny tovovavy iray. Ahina ho efa nanara-maso ny fihetsiny anefa ny mpanen­daka izay nivezivezy teny an-toerana. Nandrasan’ity farany kendry […]

Tratra teo am-pisavana : taksiborosy tratra nitondra rongony 30 kg

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Saron’ny zandary misahana ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena ny 26 oktobra 2024 maraina, tao Ambatolampikely, kaominina ambanivohitr’ Ambanitsena, Pk 22+200, ireto roa lahy nandeha taksiborosy ireto. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny […]

Lonilonin’ny samy zandary: mpiana-draharaha nitifitra kapiteny

Maty notifirin’ny zandary mpiana-draharaha iray ny kapiteny lehibeny, omaly maraina. Voalaza fa lonilony nihotrika no antony. Nitifi-tena izy taorian’izay. Nirefotra ny basy tao amina efitrano iray ao amin’ny Centre spécial d’aguerrissement opérationnel (CSAO) Beroroha, omaly tamin’ny 8 ora sy 30 mn ma­raina. Zandary mpiana-draharaha iray (GST) no nitifitra ka nahafaty […]