Mois : octobre 2024

INDRAY MIJERY

Rehefa manaraka fitsaboana sy ny toromarika mandritra ny enim-bolana tsy tapaka ny olona iray mitondra ny tsimokaretina VIH dia tsy mamindra intsony. Maimaimpoana ny fanomezana ny fanafody ARV ho an’ireo efa mitondra ny tsimokaretina eto amintsika. Anisan’ny asa ifotoran’ny minisitera ny Asa, ny fampananan’asa sy ny asam-panjakana ny ady atao […]

Ady amin’ny VIH: ilaina ny mitady mpamatsy vola fanampiny

“Efa azo fehezina ny tsimokaretina VIH amin’izao fotoana izao. Satria, maro ny tolotra ahafahana mifehy ny fiparitahana sy ny fifindran’ny tsimokaretina indrindra ho an’ ireo olona efa mitondra ny VIH”, hoy ny mpandrindra ny Ainga Aides, Dr Ravelohanta Mananarisoa, ao anatin’ny tetikasa Rafitra eny ifotony fanairana momba ny VIH (Sycavi), […]

Ampefiloha Ambodirano : Fako 500 m3 nanentsina ny lakandrano

Andro aman’alina ny asa ataon’ireo ekipa isan-tsokajiny hanadiovana ny lakandrano sy ny tanàna hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fihavian’ny orana. Nanala ireo fako mitsingevana sy mavesatra teny amin’ny lakandrano amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano ny MDAT tamin’ny alalan’ ny ekipa teknika Apipa, notronin’ny teo anivon’ny Boribo­rintany IV sy ny SMA. Manodidina […]

Tohin’ny tetikasa « Haraton’Aina »: tafakatra 87 ireo distrika hisitraka ny fiahiana ny mpiara-belona

Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa “Haraton’Aina” ka nitombo ireo distrika hisitraka izany. Hampahaleo tena ara-pivelomana ireo ankohonana tena latsaka lalina anaty fahantrana no ezaka ao anatin’ireo fandaharanasa marolafy. Mifarana amin’ny faran’ ny volana oktobra izao ny tetikasa “Haraton’ Aina”, andiany voalohany izay naharitra 8 taona (2016-2024). Hanomboka eto indray […]

Fifidianana ben’ny Tanàna: nanentana ny vahoaka hifidy i Tojo Ravalomanana

Nanatanteraka fihaonana teny amin’ny Magro Beho­ri­rika, omaly, ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim). Niatrika izany Ravalo­manana Marc, filohan’ny antoko Tim, ny kandidà ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, i Tojo Ravalomanana, sy ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ ny anaran’izany antoko izany. Teo koa ireo vahoaka mpikambana eo anivon’ny antoko eto Antananarivo Renivohitra. […]