Telma-Smmec : fanapariahana ny vokatra M’Balik

Miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Izay no nahatonga ny fiaraha-miasan’ny orinasa Telma sy ny sampandraharaha ara-bola madinika na Microfinance Smmec, hanaparitaka ny vokatra kojakoja angovo M’Balik ho an’ny daholobe. Mampiavaka ity fiaraha-miombon’antoka ity ny hanitarana ny fe-potoana handoavana tsikelikely ny saran’ny kojakoja ho 2 taona raha enim-bolana ny teo aloha. Afaka misitraka ity tolotra ity daholo ny mpanjifa, mpikambana ao amin’ny Smmec.
Karazany telo ny vokatra M’Balik. Ny «boom», ahitana ampola iray sy takela-masoandro iray, ny «wow 60» ampola 3 sy takela-masoandro iray ary ny «home 500 X», ahitana jiro «lampe» 3, takela-masoandro iray, televiziona 1. Misy koa ny kojakoja hafa, toy ny fampangatsiahana amin’ny rivotra «ventilateur».
Hisantarana ny hetsika ny hanapariahana ny vokatra M’Balik, ny boriborintany 1, 3, 5, eto an-dRenivohitra, fa hitarina manerana ny masoivohon’ny Smmec rehetra avy eo.

Njaka A.

Partager sur: