Ilay frantsay, i Hervé Renard, no hitondra ny Les aigles du Carthage, Tunisie, eo amin’ny fanohizana ny «Mondial 2026». Izy no nosafidin’ny federasionina tonizianina. Asa goavana no miandry azy dia ny hanarina ny fahavoazan’i Tunisie, tamin’ny faharesena nahazo azy.
Notendren’ny federasionina tonizianina hanohy ny “Mondial” miaraka amin’ny Les aigles du Carthage, ilay frantsay, i Hervé Renard. Ny talata lasa teo no nampahafantarina ny rehetra izany. Izy izany no handimby an’i Sabri Lamouchi, izay natsahatra tamin’ny asany noho ny faharesena mihoapampana, 5 no ho 1, nahazo an’i Tunisie nanoloana an’i Suède, nandritra ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana. Fanamby goavana no miandry an’i Hervé Renard, izay noroahin’i Arabie Saoudite, roa volana lasa izay.
Tsy vao izao no nisy mpanazatra voaroaka ao anatin’ny fifaninanana goavana toy izao. Hatramin’izay, nankinina tamin’ny mpanazatra mpanampy ny fanohizana ny fihaonana, saingy tamin’ity tranga mahazo an’i Tunisie ity, nisafidy mpanazatra ivelany mihitsy ny federasionina any aminy. Efa namonjy ny toby fiantsonan’ny mpilalaon’ny Les aigles du Carthage, ao Monterrey, any Mexique, i Hervé Renard. Sarotra ny andraikitra miandry azy satria mpilalao tsy nosafidiany ary tsy nomaniny akory no eo am-pelantanany, amin’ny fihaonana amin’i Japon, ny alahady ho avy izao. Na izany aza, malaza amin’ny fananganana ekipa efa lavo i Hervé Renard, izay efa 57 taona ankehitriny. Teknisianina voky traikefa ary olona mazoto mikaroka. Na izany aza, ny vahoaka tonizianina mitaky ny fanoloana ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny federasionina.
Tompondaka
Ny fandaharan-dalao anio
Sokajy “L” : 02:00 (maraina) – Ghana vs Panama
Sokajy “K” : 05:00 (maraina) – Colombie vs Ouzbekistan
Sokajy “A” : 07 :00 (hariva) – Tchecoslovaquie vs Afrique du Sud
Sokajy «B » : 10 :00 (alina) – Suisse vs Bosnie-Herzegovine




