Mamokatra vary sy fary ny lemak’i Basse Mahavavy, any amin’ny kaominina Mantaly, distrika Ambilobe, faritra Diana, manondraka velaran-tany 18 000 ha. Hambolen’ny tantsaha anarivony vary ny 47%, raha fary ny 53%, mamelona fianakaviana maro. Mirefy 23 km ny fefiloha ao amin’ity lemaka ity, ka simban’ny rivodoza Gamane, tamin’ity taona 2024 ity, ny 150 m, sady nitondra tondradrano tany Mantaly. Hanomboka ny fanarenana ny fotodrafitrasa, hataon’ny orinasa Colas, izay efa tonga any an-toerana ny fitaovana. Iantohan’ny fanjakana ny fandaniana amin’izany. Haharitra iray volana ny asa, hohenjehina vitaina mialoha ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra.
Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fanjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampitomboana ny voka-bary, sy ny hamokarana eto an-toerana ny vokatra ilaintsika, entina hampihenana ny fanafarana avy any ivelany.
Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, i Hajarison François, ny herinandro lasa teo.
Njaka A .




