Manao mpanefy toka-tena
Fotoana vitsy sisa hananana azy dia hivalona any amin’ny varo-tsy mifody ny taona 2026. Samy mamisavisa ny zava-bita sy ny mbola kinasa ny rehetra. Efa hiditra any amin’ny fifidianana sy fanavaozana ireo mpitantana isanisany ihany koa ny ligy sy ny federasionina sasany. Nisy ireo nahavita be, tao kosa ireo nandiso fanantenana. Ny zava-bita anefa no deraina ka rariny loatra izany. Ny tsy mendrika kosa andeha ho halavirina toa boka sao mamindra aretina. Tandremo nefa sao dodoky ny aivony ka homam-bary tsaitsainy. Raha hazavaina tsotsotra izany dia tsy fanao ny maimaika sy dodona loatra ka tsy vita tsara izay atao, hany ka mitera-pahavoazana. Ny zava-misy hita hatramin’izay mantsy, mafana am-boalohany ny ankamaroan’ny olona. Manao angoan-tenda fa hanatanteraka izato, hanao izatsy. Tazana eo avokoa ny ekipa rehetra. Rehefa mandeha ny fotoana, mihena an-dalana toa fen’antitra. Tsy misy afa-tsy olona roa na telo sisa mijoro. Toa lasa mpanefy toka-tena sady mively no mifofotra.
Miankina amin’ny tsirairay ny mampandroso ny taranja sahaniny. Tsy vitan’ny fisehosehona ivelany fotsiny ny fitantanana. Ny an’ny sasany mantsy ilay anarana maha filoha na tomponandraikitra no maha maika azy ireo. Milaka mihohoka anefa any amin’ny asa. Mihalangalana ka ireo vitsy sy azo isaina amin’ny rantsa-tanana tsy mila tambiny sisa no manao mpanefy toka-tena. Ampy izay ny andrakandrana, aleo izay hirotsaka eo ho tena ekipa mafy ka hitolona am-bovotany, samy mavo. Hitolona anaty fasika, samy ditsoka. Hitolona anaty rano, samy lena ary hitolona anaty fotaka, samy mihosina. S anatria tsy hanao saobakaka miaraka aman-tsahona ka ny lehibe indray no adala.
Tompondaka





