Taorian’i Drita Ziri, avy any Albani ny taona 2023. I Jessica Lane indray no nahazo ny satro-boninahitry ny “Miss Earth” taona 2024.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Philippines, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana “Miss Earth 2024”. I Jessica Lane, tovovavy nisolo tena an’i Australia no voahosotra ho mpandresy. Raha tsiahivina, nizara dimy iny dingan’ny famaranana iny. Voalohany amin’izany ny fifanintsanana isaky ny kaontinanta. Manaraka izany ny roapolo tsara indrindra, avy eo ny roa ambin’ny folo tsara indrindra, ny valo tsara indrindra, ary farany ny efatra tsara indrindra. Mampiavaka ity fifaninanana ity amin’ny hetsika hafa mitovy sokajy aminy ny fitsarana ny mpandray anjara amin’ny tetikasa mahakasika ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny lafiny sosialy any amin’ny toerana misy azy.
Anisan’ny nanana solontena tamin’ity “Miss Earth 2024” ity i Madagasikara, tamin’ny alalan’Andriambolatiana Hendry Tsiky. Tsy tafiditra tao anatin’ireo roapolo tsara indrindra anefa izy tao anatin’izany. I Jessica Lane no mpandresin’ny fifaninanana. Niva Antezana no teo amin’ny “Miss Earth fire”. Hrafnhildur Haraldsdottir no teo amin’ny “Miss Earth Air”. I Bea Millan- Windorski no teo amin’ny “Miss Eath Watter”. Izy efa-bavy ireto no tafiditra tao anatin’ny efatra tsara indrindra. Afrikanina efatra kosa no tonga teo amin’ny dingana nifantenana ireo 12 tsara indrindra. Anisan’izany ny solontenan’i Namibia, Nigeria, Cap Vert ary Maurice. Marihina fa tanterahina isan-taona ity fifaninanana ity. Ankoatran’ ny fahalalàna sy hatsaram-bika. Anisan’ny hitsarana ny mpifaninana ihany koa ny tetikasan’izy ireo manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiara-belona.
Lin




