Mitodika any aminy ny Malagasy rehetra maneran-tany. Lasa nihazo an’i Kazan, any Russie, i Filamatra Matokia Randriamampionona. Izy ilay tovovavikely hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanan-kira “Our Generation”, izay hatao any an-toerana, ny 16 novambra izao. Ilay hirany “Iray” no entin’i Filamatra matokia hifaninana mandritra izany hambaboana ireo mpitsara.
Fitiliana ireo ankizy sy tanora manan-talenta, 9 hatramin’ny 11 taona, manerana ireo firenena maro ny “Our Generation”. Miisa 15 izy ireo no hifaninana amin’ity, izay samy manana ny mampiavaka azy avokoa. Tsy ambaka an’ireo anefa ny Malagasy solontena, satria kely dia niaina tao anatin’ny zavakanto i Filamatra Matokia. Zanak’i Stan sy Nanah, izay samy mpanakanto nalaza tamin’ny fifaninanan-kira Pazzapa izy, ary nanaraka azy any rahateo ny reniny.
Efa niomana fotoana ela, ary notohanan’ireo mpanakanto manam-pahaizana toa an’i Hiary Rapanoelina sy i Jack Thierry i Filamatra Matokia, nialoha izao. Nandray ny tsodranon’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, i Mara Volamiranty Donna, izy nialoha ny niaingany.
Zo ny Aina




