Taona 2023-2024 : nahomby ny 70% ny fambolen-kazo

Araka ny tatitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nahatratra 132 948 006 ny isan’ny zanakazo voavoly tamin’ny velaran-tany 76 944 ha nandritra ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Tanjona napetraka ny velaran-tany 78 278,67 ha. Raha ny salanisa ankapobeny, nahomby ny fanirin’ny 70% ny zanakazo.

Avy amin’ny tetikasa na fandaharanasa ny 28% tamin’ireo fandraisana anjara ireo, avy amin’ny sehatra tsy miankina ny 23%, olon-tsotra ny 20%, fikamban’ny mponina any ambanivohitra ny 10%, mpitantana faritra arovana ny 7%, vondrona olona eny ifotony (VOI) ny 6% ary rafi-panjakana ny 6%.
Anisan’ny nahazoana izao vokatra izao ny fahatsapan’ny mponina fa laharaham-pahamehana ny fambolen-kazo. Nanamora ny fanatanterahana ny asa ny fiantohan’ny mpiara-miombon’antoka fitaovana sy kojakoja amin’ny fambolen-kazo (zana-kazo, zezika, angady, sns). Maro ny olona nandray anjara. Nataon’ ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana voalohan-daharana ny fambolen-kazo, napetraka ho adidy tsy maintsy ataon’ny VOI sy ny orinasa tsy miankina ao anatin’ny Andraikitra ara-tsosialy ataon’ny orinasa (RSE). Teo koa ny filamatra «mpianatra iray, mamboly hazo iray» teny an-tsekoly. Nampidirina anaty fandaharam-pianarana ny lafiny tontolo iainana eny anivon’ny rafitra Dren, Cisco, Zap. Teo koa, ny fizarana karatany ho an’ny toerana ambolena hazo.

Njaka A.

Partager sur: