Anisan’ny hiran’i Barijaona sy O’Suzah nanombohana ilay fampisehoana notontosain’ny tarika Johary tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly, izay. Fifandrifian-javatra ve raha narahin’ny hira «Antananarivo »? Ny azo itompoana teny aloha dia raitra ny seho, araka ny nandrasan’ireo mpankafy mihitsy. Kalon’ny omaly, fa mitoetra laza ankehitriny. Saika niaraha-niredona avokoa ireo hira 50 nalahatra. Ireo nahafantarana an’i Barijaona teto antoerana hatrany ivelany, mbola notovonan-dry Gothlieb, Mahery ary Luc ireo hira nampalaza ny Kintana Telo. Tsy vitan’izay, nasain-dry zalahy hiray sehatra aminy ihany koa i Salomon, Kintana Telo mbola eo ary mahazaka ny sehatra tsara. « Tsy hoe tsy miaka-tsehatra intsony aho akory, fa niantso ireto namana ireto ary izahay efa zatra miaraka ka nampety ny seho », hoy i Salomon. Tazana teny, ho fifalian’ireo mpankafy ihany koa, i Mizaka Raseta sy i Lily, vehivavy mpihira nampihaingo ireo hira novelomin’ny Kintana Telo hatramin’izay. Fisehatra raitra, fianjaika mamiratra. Nahatontosa ny fanambiny ireo mpanakanto sy ny LH Pro, mpikarakara. Tohin’ny « Johary mihira Kintana Telo » tao amin’ny CCEsca Antanimena ity seho ity. Nampiana mba hahalafatra ny seho, ka tontosa tokoa ny fanambin’ireo mpanakanto sy ny mpikarakara. Na teo aza ireo hira nangatahin’ny mpijery naverina, tsy lany nolaniana ihany koa ireo hira nalahatra. Oviana ny manaraka? Izay hatrany ny fanontanian’ireo mpankafy. Amin’io taona ho avy io, miaraka amin’ny endri-tseho vaovao ny nampanantenaina teny an-tsehatra.
Zo ny Aina




