Nosokafana ny «taom-pambolena 2024-2025» ho an’ny faritra Alaotra, ny herinandro lasa teo. Natao tany amin’ny vahilavan’i Soaravo, kaominina Ilafy, distrika Ambatondrazaka. Paikady hatao fampiharana ny teknika SRI sy SRA, amin’ny alalan’ny tetikasan’ny Papriz, tohanan’ny fanjakana japoney. Eo koa ny tetikasa Riz Plus, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny AFD avy amin’i Frantsa.
Miisa 13 ny mpanjono sy mpivarotra
hazandrano niofana mahakasika ny fitahirizana sy ny fanodinana ny vokatra, tany amin’ny Nosy Faly, distrika Ambanja. Anisan’ny nampianarina azy ireo ny fomba fanaovana ny saly setroka, fanamainana ny hazandrano. Hampita ny fahaiza-manao norantovina amin’ny mpanjono sy mpivarotra namany izy ireo, taorian’izao fiofanana azony izao.
Hatao any Baku Azerbaidjan ny Fihaonambe Cop 29, anio 11 hatramin’ny 22 novambra. Fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro. Miisa 197 ny firenena handray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara. Hokarohina ny vahaolana momba ny asa hiadiana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro maneran-tany sy ny famatsiam-bola entina manatanteraka izany.




